Epistily ho an'ny Efesiana 4:25
Koa esory ny lainga, ka samia milaza ny marina amin’ ny namany avy ianareo rehetra; fa samy isan’ ny momba ny tenan’ ny namantsika avokoa isika.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
26Tezera, fa aza manota; ary aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranareo.
Read all of Epistily ho an'ny Efesiana 4
Cross References
Judges 16:11Dia hoy kosa izy taminy: Raha mahazaka vaovao izay tsy mbola nanaovan-draharaha no amatorany ahy mafy, dia ho osa aho ka ho tahaka ny olon-kafa.
Psalms 52:3Nahoana no mandoka tena amin’ ny haratsiana ianao, ry ilay mahery? Ny famindram-pon’ Andriamanitra maharitra mandrakariva.
Proverbs 6:17Ny maso miavonavona, ny lela fandainga, Ary ny tanana mandatsa-drà marina,
Proverbs 12:17Izay olona mahatoky dia manambara ny rariny; Fa ny vavolombelona mandainga kosa miteny fitaka.
Proverbs 12:22Fahavetavetana eo imason’ i Jehovah ny molotra mandainga; Fa izay olona mahatoky no ankasitrahany.
Isaiah 9:15Fa ny mpitarika ity firenena ity no tonga mpampivily azy, Ary izay tarihiny dia voatelina.