Epistily ho an'ny Efesiana 6:1
Anaka, maneke ny ray sy ny reninareo ao amin’ ny Tompo, fa marina izany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Children, obey your parents in the Lord: for this is right.
In Context
2Manajà ny ray sy ny reninao (fa izany no didy voalohany misy teny fikasana),
Read all of Epistily ho an'ny Efesiana 6
Cross References
Genesis 37:13Ary hoy Isiraely tamin’ i Josefa: Tsy miandry ondry any Sekema va ny rahalahinao? Avia mba hirahiko hankany aminy ianao. Ary hoy izy taminy: Inty Aho.
Genesis 50:12Ary ny zanakalahin’ i Jakoba nanao taminy araka izay nandidiany azy,
Deuteronomy 21:18Raha misy olona manana zanakalahy maditra sy manohitra ka tsy mety mihaino ny feon’ ny rainy, na ny feon’ ny reniny, ka tsy zakany anarina,
1 Samuel 17:20Dia nifoha maraina koa Davida ka namela ny ondriny hotandreman’ olona, ary naka ny entany izy ka lasa nandeha araka ny nandidian’ i Jese azy; ary tonga teo amin’ ny sehatra-sariety izy; ary ny antokon’ ny miaramila izay efa hivoaka hilahatra dia nanakora hiady tamin’ izay.
Esther 2:20Nefa Estera tsy mbola nilaza izay fianakaviany na izay fireneny, araka ilay nameperan’ i Mordekay azy ihany; fa ny tenin’ i Mordekay dia nankatoavin’ i Estera tahaka ny fony Izy mbola nitaiza azy ihany.
Psalms 19:8Tsy misy tsiny ny lalàn’ i Jehovah, mamelombelona ny fanahy; mahatoky ny teni-vavolombelon’ i Jehovah, mahahendry ny kely saina.