Epistily ho an'ny Efesiana 6:3
mba hahita soa ianao sy ho maro andro ambonin’ ny tany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
That it may be well with thee, and thou mayest live long on the earth.
In Context
2Manajà ny ray sy ny reninao (fa izany no didy voalohany misy teny fikasana),
Read all of Epistily ho an'ny Efesiana 6
Cross References
Deuteronomy 5:16Manajà ny rainao sy ny reninao, araka izay nandidian’ i Jehovah Andriamanitrao anao, mba ho maro andro ianao, ary mba hahita soa any amin’ ny tany izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao ho anao.
Deuteronomy 6:18Ary ataovy izay mahitsy sady tsara eo imason’ i Jehovah, mba hahita soa ianao ary mba hidiranao handova ny tany soa izay nianianan’ i Jehovah tamin’ ny razanao homena azy,
Deuteronomy 12:28Tandremo, ka henoy izao teny rehetra izao, izay andidiako anao, mba hahita soa ianao sy ny taranakao mandimby anao mandrakizay, raha manao izay tsara sy mahitsy eo imason’ i Jehovah Andriamanitrao ianao.
Ruth 3:1Dia hoy Naomy rafozani-vavy taminy: Tsy hitady izay tokan-trano hahitanao fiadanana va aho, anaka, mba hahasoa anao?
Isaiah 3:10Lazaonareo ny amin’ ny marina fa hahita soa izy, Fa ny vokatry ny asany no hohaniny.