Bokin'i Estera 8:13
Ny kopen’ ny teny natao didy ho amin’ ny isan-tokony eran’ ny fanjakana dia nantsoina tamin’ ny olona rehetra mba hampiomana ny Jiosy ho amin’ izany andro izany hamaliany ny fahavalony.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Judges 16:28Ary Samsona niantso an’ i Jehovah ka nanao hoe: Jehovah Tompo ô, mifona aminao aho, tsarovy aho, ka ampaherezo izao indray mandeha izao monja, ry Andriamanitra ô, hamaliako ny Filistina noho ny anankiray amin’ ny masoko roa.
Psalms 37:14Ny ratsy fanahy nampitsoaka ny sabany ka nanenjana ny tsipìkany mba hampikarapoka ny ory sy ny malahelo, ary hamono ny mahitsy lalana.
Psalms 92:10Fa, indreo, ny fahavalonao, Jehovah ô, Fa, indreo, ringana ny fahavalonao; Mihahaka ny mpanao ratsy rehetra.
Luke 18:7Fa Andriamanitra tsy hanome rariny ny olom-boafidiny va, izay mitaraina aminy andro aman’ alina, ary moa hitaredretra va Izy?