Bokin'ny Eksodosy 15:26
ka hoy Izy: Raha hazoto hihaino ny feon’ i Jehovah Andriamanitrao ianao ka hanao izay mahitsy eo imasony sy hihaino ny lalàny ary hitandrina ny didiny rehetra, dia tsy hisy hataoko aminao ireny aretina rehetra ireny, izay nataoko tamin’ ny Egyptiana; fa Izaho no Jehovah Izay mahasitrana anao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Eksodosy 15
Cross References
Exodus 9:10Dia naka lavenona tamin’ ny lafaoro lehibe izy roa lahy ka nitsangana teo anatrehan’ i Farao; dia natopin’ i Mosesy niakatra nanandrify ny lanitra izany, ka dia tonga vay nipoipoitra tamin’ ny olona sy tamin’ ny biby fiompy.
Exodus 19:5Koa ankehitriny, raha hihaino ny feoko tokoa ianareo ka hitandrina ny fanekeko, dia ho rakitra soa ho Ahy mihoatra noho ny firenena rehetra ianareo; fa Ahy ny tany rehetra.
Leviticus 26:3Raha manaraka ny lalàko sy mitandrina ny didiko ianareo ka mankatò izany,
Numbers 12:13Ary Mosesy dia nitaraina tamin’ i Jehovah ka nanao hoe: Andriamanitra ô, mifona aminao aho, mba sitrano re izy!
Deuteronomy 7:12Ary raha mihaino ireo fitsipika ireo ianareo ka mitandrina sy manaraka azy, dia hotanterahin’ i Jehovah Andriamanitrao aminao ny fanekena sy ny famindram-po, izay nianianany tamin’ ny razanao;
Deuteronomy 12:28Tandremo, ka henoy izao teny rehetra izao, izay andidiako anao, mba hahita soa ianao sy ny taranakao mandimby anao mandrakizay, raha manao izay tsara sy mahitsy eo imason’ i Jehovah Andriamanitrao ianao.