Bokin'ny Nomery 12:13
Ary Mosesy dia nitaraina tamin’ i Jehovah ka nanao hoe: Andriamanitra ô, mifona aminao aho, mba sitrano re izy!
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And Moses cried unto the LORD, saying, Heal her now, O God, I beseech thee.
In Context
12Aza dia avela ho toy ny maty izy, izay lany ny antsasaky ny nofony, raha vao teraka izy.
Read all of Bokin'ny Nomery 12
Cross References
Exodus 15:26ka hoy Izy: Raha hazoto hihaino ny feon’ i Jehovah Andriamanitrao ianao ka hanao izay mahitsy eo imasony sy hihaino ny lalàny ary hitandrina ny didiny rehetra, dia tsy hisy hataoko aminao ireny aretina rehetra ireny, izay nataoko tamin’ ny Egyptiana; fa Izaho no Jehovah Izay mahasitrana anao.
Numbers 14:2Dia nimonomonona tamin’ i Mosesy sy Arona ny Zanak’ Isiraely rehetra, ka hoy ny fiangonana rehetra taminy; Inay anie isika mba maty tany amin’ ny tany Egypta ihany; na inay anie isika mba maty tatỳ amin’ ity efitra ity!
1 Samuel 12:23Ary ny amiko, sanatria raha hanota amin’ i Jehovah aho ka hitsahatra tsy hangataka ho anareo; fa izaho hanoro anareo izay lalana tsara sy mahitsy.
1 Kings 13:6Ary ny mpanjaka namaly ilay lehilahin’ Andriamanitra nanao hoe: Mba ifony amin’ i Jehovah Andriamanitrao aho, ka mivavaha ho ahy, mba ho azoko ketrahina indray ny tanako. Ary ilay lehilahin’ Andriamanitra dia nifona tamin’ i Jehovah, ka dia azon’ ny mpanjaka noketrahina indray ny tànany ka tonga tahaka ny teo.
Jeremiah 17:14Jehovah ô, sitrano aho, dia ho sitrana; Vonjeo aho, dia ho voavonjy; Fa Hianao no fiderako.