Bokin'ny Eksodosy 21:6
dia ho entin’ ny tompony ho eo anatrehan’ Andriamanitra izy, ary dia ho entiny ho eo amin’ ny varavarana, na ho eo amin’ ny tolam-baravarana, ka hotevehin’ ny tompony amin’ ny haolo ny sofiny; dia hanompo azy mandrakizay izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Eksodosy 21
Cross References
Exodus 12:12Fa handeha hamaky ny tany Egypta amin’ izany alina izany Aho ka hamono ny matoa rehetra amin’ ny tany Egypta hatramin’ ny olona ka hatramin’ ny biby fiompy; ary ny andriamanitry ny Egyptiana dia hotsaraiko avokoa: Izaho no Jehovah.
Exodus 21:22Ary raha misy olona mifanditra ka mandratra vehivavy manan’ anaka, ka teraka tsy tonga volana ny zanany, kanefa tsy misy maninona, dia hosazina tokoa ilay olona araka izay hanaovan’ ny vadin-dravehivavy azy; ary handoa araka izay handidian’ ny mpitsara izy.
Exodus 22:28Aza atao ela vao manatitra ny santatry ny vokatrao sy ny fisotronao; ny matoa amin’ ny zanakao-lahy dia omeo Ahy.
Leviticus 25:40fà aoka hitoetra eo aminao tahaka ny mpikarama sy tahaka ny vahiny izy; mandra-pahatongan’ ny taona Jobily no hanompoany anao.
Deuteronomy 1:16Dia nandidy ny mpitsara anareo tamin’ izany andro izany aho ka nanao hoe: Henoy ny adin’ ny rahalahinareo, ka tsarao marina ny olona, na ny tompon-tany, na ny vahiny eo aminy.
Deuteronomy 16:18Mifidiana mpitsara sy mpifehy ho anao ao an-tanànanao rehetra, izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao anao, araka ny firenenao; dia hitsara ny olona amin’ ny fitsarana marina ireo.