Bokin'ny Eksodosy 30:13
Izao no haloan’ izay rehetra voalamina, dia antsasaky ny sekely avy araka ny sekely masìna (gera roa-polo ny sekely iray), eny, antsasaky ny sekely ho fanatitra ho an’ i Jehovah.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Eksodosy 30
Cross References
Leviticus 27:3Ary ny hataonao tomban’ ny lehilahy hatramin’ ny roa-polo taona ka hatramin’ ny enim-polo taona dia sekely volafotsy dimam-polo araka ny sekely masìna;
Numbers 3:47dia hangalanao sekely dimy isan-olona; araka ny sekely masìna no hangalanao azy (gera roa-polo ny sekely iray).
2 Kings 12:5Ary hoy Joasy tamin’ ny mpisorona: Ny vola amin’ ny zava-masìna rehetra izay nampidirina tao an-tranon’ i Jehovah, dia ny volan’ ny olona voaisa sy ny vola rehetra izay azo tamin’ ny tomban’ olona ary ny vola rehetra Izay nentin’ ny isan-olona an-tsitrapo ho ao an-tranon’ i Jehovah,
Matthew 17:24Ary nony tonga tao Kapernaomy izy, dia nankeo amin’ i Petera ny mpandray ny antsasaky ny sekely ka nanao hoe: Moa ny mpampianatra anareo tsy mba mandoa ny antsasaky ny sekely va?