Bokin'ny Eksodosy 30:33
Na zovy na zovy mangaroharo izay tahaka azy, ary na zovy na zovy manosotra azy amin’ ny vahiny dia hofongorana tsy ho amin’ ny fireneny.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Eksodosy 30
Cross References
Exodus 12:15Hafitoana no hihinananareo mofo tsy misy masirasira: amin’ ny voalohan’ andro no hanesoranareo ny masirasira amin’ ny tranonareo; fa na iza na iza homana mofo misy masirasira hatramin’ ny andro voalohany ka hatramin’ ny fahafito dia hofongorana tsy ho amin’ ny Isiraely.
Exodus 29:33Ary izy na hihinana izany zavatra izany, izay nanaovana fanavotana ho azy, mba hanokanana sy hanamasinana azy; fa ny vahiny tsy mba hihinana, satria masìna izany.
Exodus 31:14Koa tandremo ny Sabata, fa masìna aminareo izany; izay tsy manamasìna azy dia hatao maty tokoa, fa izay rehetra manao raharaha amin’ izany dia hofongorana tsy ho amin’ ny fireneny.
Leviticus 7:21Ary ny olona izay mikasika zava-maloto, na fahalotoan’ olona, na biby maloto, na izay zava-betaveta maloto, ka mihinana amin’ ny henan’ ny fanati-pihavanana izay an’ i Jehovah, dia hofongorana tsy ho amin’ ny fireneny.
Leviticus 17:9ka tsy mitondra azy ho eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana hanatitra azy ho an’ i Jehovah, dia hofongorana tsy ho amin’ ny fireneny.
Leviticus 17:14fa ny amin’ ny amin’ ny nofo rehetra, dia ny ràny no ainy; koa izany no nilazako tamin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Aza mihinana ny ran’ ny nofo; fa ny ràny no ain’ ny nofo rehetra, ka izay rehetra mihinana azy dia haringana.