Bokin'ny Eksodosy 39:1
Ary tamin’ ny manga sy ny volomparasy ary ny mena no nanaovany ny fitafiana makarakara, hanaovana fanompoam-pivavahana ao amin’ ny fitoerana masìna, ary nanao ny fitafiana masìna ho an’ i Arona izy, dia araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Eksodosy 39
Cross References
Exodus 26:1Ary ny tabernakely dia hataonao ambainy folo amin’ ny rongony fotsy madinika voahasina sy manga sy volomparasy ary mena; kerobima, asan’ ny mpanenona mahay, no hataonao sorany.
Exodus 28:5Ary aoka haka ny volamena sy ny manga sy ny volomparasy sy ny mena ary ny rongony fotsy madinika izy.
Exodus 35:19ary ny fitafiana makarakara ho entiny manao fanompoam-pivavahana ao amin’ ny fitoerana masìna sy ny fitafiana masìna ho an’ i Arona mpisorona ary ny fitafian’ ny zanany ho entiny misorona.
Exodus 39:41ary ny fitafiana makarakara ho enti-manao fanompoam-pivavahana ao amin’ ny fitoerana masìna ho an’ i Arona mpisorona sy ny fitafian’ ny zanany ho entiny manao fisoronana.
Ezekiel 42:14Raha miditra ao ny mpisorona, dia tsy hiala amin’ ny fitoerana masìna ho any amin’ ny kianja ivelany izy, fa ao no hamelany ny fitafiana masìna izay nentiny nanao fanompoam-pivavahana, satria masìna ireo; ary hitafy fitafiana hafa izy vao manatona ny olona.
Hebrews 9:12ary tsy mba nitondra ran’ osilahy sy ran-janak’ omby Izy, fa ny ran’ ny tenany, dia niditra indray mandeha ho any amin’ ny fitoerana masìna ka nahazo fanavotana mandrakizay.