Bokin'ny Eksodosy 6:13
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy sy Arona ka nanome teny azy ho entiny ho any amin’ ny Zanak’ Isiraely sy ho amin’ i Farao, mpanjakan’ i Egypta, mba hitondra ny Zanak’ Isiraely hivoaka avy amin’ ny tany Egypta.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Eksodosy 6
Cross References
Numbers 27:19ary asaovy mijoro eo anatrehan’ i Eleazara mpisorona sy ny fiangonana rehetra izy, ka mandidia azy eo imasony ianao.
Deuteronomy 31:14Dia hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Indro, antomotra ny andro hahafatesanao; koa miantsoa an’ i Josoa, ary mitoera ao amin’ ny trano-lay fihaonana ianareo mba handidiako azy. Dia nandeha Mosesy sy Josoa ka nitoetra tao amin’ ny trano-lay fihaonana.
Matthew 4:6dia nanao taminy hoe: Raha Zanak’ Andriamanitra Hianao, mianjerà any ambany any; fa voasoratra hoe: Izy handidy ny anjeliny ny aminao; Ary eny an-tànany no hitondran’ ireo Anao, fandrao ho tafintohina amin’ ny vato ny tongotrao.
1 Timothy 5:21Mananatra anao mafy aho eo anatrehan’ Andriamanitra sy Kristy Jesosy ary ny anjely voafidy mba hotandremanao izany zavatra izany, tsy manao olon-tiana, na manao na inona na inona amin’ ny fiangarana.
1 Timothy 6:17Anaro ny mpanankarena amin’ izao fiainana ankehitriny izao mba tsy hiavonavona, na hatoky ny harena miovaova, fa Andriamanitra, Izay manome antsika malalaka ny zavatra rehetra mba hifaliantsika,
2 Timothy 4:1Eo anatrehan’ Andriamanitra sy Kristy Jesosy, Izay hitsara ny velona sy ny maty, ary noho ny amin’ ny fisehoany sy ny fanjakany, no ananarako anao mafy: