Bokin'i Ezekiela 11:12
ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah, satria tsy nandeha araka ny lalàko ianareo na nanaraka ny fitsipiko, fa araka ny fitsipiky ny jentilisa izay manodidina anareo ihany no nataonareo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 11
Cross References
Leviticus 18:3Aza manao araka ny fanaon’ ny tany Egypta, izay nonenanareo; ary aza manao araka ny fanaon’ ny tany Kanana, izay ampidirako anareo, ary aza manaraka ny fombany.
Leviticus 26:40Fa raha hiaiky ny helony sy ny heloky ny razany izy, dia ny fahadisoany izay nandisoany tamiko tamin’ ny nanoherany Ahy,
1 Kings 11:33satria efa nahafoy Ahy izy ka niankohoka teo anatrehan’ i Astarta, andriamani-bavin’ ny Sidoniana, sy Kemosy andriamanitr’ i Moaba, ary Milkoma, andriamanitry ny taranak’ i Amona, fa tsy nandeha tamin’ ny lalako hanao izay mahitsy eo imasoko sy hitandrina ny didiko sy ny fitsipiko tahaka an’ i Davida rainy.
2 Kings 16:10Ary nandeha Ahaza mpanjaka hitsena an’ i Tiglato-pilesera, mpanjakan’ i Asyria, any Damaskosy; ary nony nahita ny alitara tao Damaskosy izy, dia nampitondra ny mariky ny alitara sy ny sariny araka ny fombany rehetra ho any amin’ i Oria mpisorona.
2 Kings 18:12Satria tsy nihaino ny feon’ i Jehovah Andriamaniny izy, fa nivadika ny fanekeny, dia izay rehetra nandidian’ i Mosesy, mpanompon’ i Jehovah, ka tsy nihaino na nankato izany izy.
2 Kings 21:9Nefa tsy nihaino izy; fa Manase nitaona azy hanao ratsy mihoatra noho ny nataon’ ny jentilisa, izay naringan’ i Jehovah tsy ho eo anoloan’ ny Zanak’ Isiraely.