Bokin'i Ezekiela 11:16
Koa lazao hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Na dia nampandehaniko lavitra any amin’ ny jentilisa aza izy ka naeliko tany amin’ ny tany maro, dia ho fitoerana masìna ho azy vetivety Aho any amin’ ny tany izay alehany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 11
Cross References
Leviticus 26:44Ary na dia izany rehetra izany aza, raha any amin’ ny tanin’ ny fahavalony izy, dia tsy holaviko ary tsy ho halako, fandrao lany ringana izy rehetra, ka rava ny fanekeko taminy; fa Izaho no Jehovah Andriamaniny.
Deuteronomy 30:3dia hampodin’ i Jehovah Andriamanitrao avy amin’ ny fahababoanao ianao, ary hamindra fo aminao Izy ka hanangona anao indray avy any amin’ ny firenena rehetra izay nampielezan’ i Jehovah Andriamanitrao anao.
Psalms 31:20Akory re ny haben’ ny zava-tsoanao voarakitrao ho an’ ny matahotra Anao! dia izay nataonao teo anatrehan’ ny zanak’ olombelona ho an’ izay mialoka aminao!
Psalms 90:1Fivavak’ i Mosesy, lehilahin’ Andriamanitra. Tompo ô, efa fonenanay hatramin’ ny taranaka rehetra Hianao.
Psalms 91:9Satria hoy ianao: Jehovah ô, Hianao no aroko, Sady nataonao ho fonenanao ny Avo Indrindra,
Isaiah 4:5Ary Jehovah hamorona rahona sy setroka raha antoandro Sy fahazavan’ ny afo midedadeda nony alina Ho eny ambonin’ ny fitoerana rehetra any an-tendrombohitra Ziona Sy ho eny ambonin’ ny fivoriany rehetra; Ary eny ambonin’ ny voninahitra rehetra dia hisy eloelo