Bokin'i Ezekiela 11:5
Ary tonga tao amiko ny Fanahin’ i Jehovah, ka hoy Izy tamiko: Lazao hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Izany no fiteninareo, ry taranak’ Isiraely, ary fantatro izay rehetra ao an-tsainareo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
4ka dia maminania hamely azy, eny, maminania, ry zanak’ olona.
Read all of Bokin'i Ezekiela 11
Cross References
Numbers 11:25Ary nidina teo amin’ ny rahona Jehovah ka niteny taminy, dia nangalany ny Fanahy izay tao amin’ i Mosesy ka napetrany tao amin’ ny loholona fito-polo lahy; ary raha mbola nitoetra tao aminy ny Fanahy, dia naminany izy, nefa tsy nanao intsony.
1 Samuel 10:10Ary rehefa tonga tany Gibea, izy indro, ny mpaminany maro irai-dia nifanena taminy; dia nilatsaka tamin’ i Saoly ny Fanahin’ Andriamanitra, ka naminany teo aminy izy.
Psalms 7:9Jehovah hitsara ny firenena; Jehovah ô, tsarao aho araka ny fahamarinako sy ny tsi-fananako tsiny.
Psalms 139:2Hianao no mahalala ny fipetrako sy ny fitsangako Sady mahafantatra ny hevitro eny lavitra eny.
Isaiah 58:1Ezaho ny fiantsonao, fa aza atao malemy, Asandrato ny feonao ho tahaka ny an’ ny anjomara, ka ambarao amin’ ny oloko ny fahadisoany Ary amin’ ny taranak’ i Jakoba ny fahotany;
Jeremiah 17:10Izaho Jehovah no Mpandinika ny fo sy Mpamantatra ny voa, mba hanome ny olona rehetra araka ny alehany avy, dia araka ny vokatry ny asany