Bokin'i Ezekiela 11:6
Hianareo efa nahamaro ny voavononareo teto amin’ ity tanàna ity, ary ny lalambeny efa nofenoinareo faty.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Ye have multiplied your slain in this city, and ye have filled the streets thereof with the slain.
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 11
Cross References
Isaiah 1:15Raha mananty tanana ianareo, Dia hitampi-maso tsy hijery anareo Aho; Eny, na dia manao vavaka be aza ianareo, dia tsy hihaino Aho; Feno ran’ olona ny tananareo.
Jeremiah 2:34Ary koa eo an-tsisin-dambanao no ahitana ny ran’ ny olona malahelo izay tsy manan-tsiny, tsy tamin’ ny tami-trano no nahazoanao azy, fa tamin’ izany rehetra izany.
Jeremiah 7:9Hay! hangalatra sy hamono olona sy hijangajanga va ianareo ary hianian-tsy tò sy handoro ditin-kazo manitra ho an’ i Bala sady hanaraka andriamani-kafa izay tsy fantatrareo?
Ezekiel 7:23Manefa gadra, fa efa feno fitsarana ny amin’ ny fandatsahan-drà ny tany, ary feno fampahoriana ny tanàna.
Ezekiel 22:2Ry zanak’ olona, moa tsy hitsara va ianao? Tsy hitsara ny tanana mpandatsa-drà va ianao? Ampahafantaro azy ary ny fahavetavetany rehetra,
Ezekiel 22:12Ao aminao misy mandray kolikoly handatsa-drà; maka zana-bola sy tombony ianao sady manao an-keriny mandroba ny an’ ny namanao ka manadino Ahy, hoy Jehovah Tompo.