Bokin'i Ezekiela 11:8
Natahotra ny sabatra ianareo; nefa hataoko mahatratra anareo ihany ny sabatra, hoy Jehovah Tompo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Ye have feared the sword; and I will bring a sword upon you, saith the Lord GOD.
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 11
Cross References
Job 3:25Fa Izay atahorako no mahazo ahy, ary izay angovitako no manjo ahy.
Proverbs 10:24Ny tahotry ny ratsy fanahy hihatra aminy; Fa ny irin’ ny marina no homena azy.
Isaiah 30:16Fa hoy kosa ianareo: Tsia, fa handositra mitaingin-tsoavaly izahay; Koa noho izany dia handositra tokoa ianareo; Ary hoy ianareo: Hitaingina ny faingan-tongotra izahay; Ka dia ho faingan-tongotra koa ny manenjika anareo.
Jeremiah 38:19Ary hoy Zedekia mpanjaka tamin’ i Jeremia: Matahotra ny Jiosy izay efa nanatona ny Kaldeana aho, fandrao hatolony eo an-tànany aho ka hataony fihomehezana.
Jeremiah 42:16dia hahatratra anareo any amin’ ny tany Egypta ny sabatra izay atahoranareo, ary ny mosary izay ahinareo no hanjohy anareo any amin’ ny tany Egypta, ary any no hahafaty anareo.
Jeremiah 44:12Ary halaiko ny sisa amin’ ny Joda, izay nikiry hankany amin’ ny tany Egypta hivahiny any, ka ho lany ritra izy rehetra; any amin’ ny tany Egypta no hahalavoany, samy ho ringan’ ny sabatra sy ny mosary, eny, na ny kely na ny lehibe dia samy ho fatin-tsabatra sy mosary izy rehetra ka ho tonga fianianana sy figagana sy fanozonana ary fandatsa.