Bokin'i Jeremia 42:16
dia hahatratra anareo any amin’ ny tany Egypta ny sabatra izay atahoranareo, ary ny mosary izay ahinareo no hanjohy anareo any amin’ ny tany Egypta, ary any no hahafaty anareo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 42
Cross References
Deuteronomy 28:15Fa raha tsy mihaino ny feon’ i Jehovah Andriamanitrao kosa ianao ka tsy mitandrina hanaraka ny didiny rehetra sy ny lalàny, izay andidiako anao anio, dia ho tonga aminao sy hahatratra anao izao fanozonana rehetra izao:
Deuteronomy 28:45Dia ho tonga aminao ireo ozona rehetra ireo ka hanenjika anao sy hahatratra anao mandra-paharinganao, satria tsy nihaino ny feon’ i Jehovah Andriamanitrao ianao hitandremanao ny didiny sy ny lalàny, izay nandidiany anao.
Jeremiah 42:13Fa raha hoy kosa ianareo: Tsy honina amin’ ity tany ity izahay, ka tsy hihaino ny feon’ i Jehovah Andriamanitrareo ianareo,
Jeremiah 44:13Fa hovaliako izay monina any amin’ ny tany Egypta, toy ny namaliako an’ i Jerosalema, dia amin’ ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana.
Ezekiel 11:8Natahotra ny sabatra ianareo; nefa hataoko mahatratra anareo ihany ny sabatra, hoy Jehovah Tompo.
Zechariah 1:6Fa ny teniko sy ny didiko, izay nandidiako ny mpaminany mpanompoko, tsy nahatratra ny razanareo va izany? Ary izy nitodika ka nanao hoe: Araka izay nosainin’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, hatao amintsika, araka ny alehantsika sy ny ataontsika, dia araka izany no nataony tamintsika.