Bokin'i Ezekiela 12:11
Lazao hoe: Izaho dia famantarana mahagaga ho anareo, koa tahaka izay ataoko no hatao amin’ ireo; hifindra sy ho lasan-ko babo izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 12
Cross References
2 Kings 25:11Ary izay olona sisa tao an-tanana sy izay efa nandositra nanatona ny mpanjakan’ i Babylona ary ny vahoaka betsaka sisa dia nentin’ i Neborazadana, lehiben’ ny mpiambina, ho babo avokoa.
Jeremiah 15:2Ary raha tàhiny izy manao aminao hoe: Hiala hankaiza izahay? dia ataovy aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Izay ho amin’ ny areti-mandringana dia ho amin’ ny areti-mandringana, ary izay ho amin’ ny sabatra dia ho amin’ ny sabatra, ary izay ho amin’ ny mosary dia ho amin’ ny mosary, ary izay ho amin’ ny fahababoana dia ho amin’ ny fahababoana.
Jeremiah 52:28Izao no olona izay nentin’ i Nebokadnezara ho babo tamin’ ny taona fahafito, Jiosy telo amby roa-polo sy telo arivo;
Ezekiel 4:3Ary makà lapoely, ka ataovy manda vy eo anelanelanao sy ny tanàna, dia banjino tsara io, ary aoka hatao fahirano, eny, aoka hataonao fahirano io. Famantarana ho amin’ ny taranak’ Isiraely izany.
Zechariah 3:8Koa mihainoa, ry Josoa mpisoronabe, dia ianao sy ny namanao izay mipetraka eo anoloanao; fa olona atao fahagagana ireo; fa, indro, ho entiko Rantsana Mpanompoko.