Bokin'i Ezekiela 4:3
Ary makà lapoely, ka ataovy manda vy eo anelanelanao sy ny tanàna, dia banjino tsara io, ary aoka hatao fahirano, eny, aoka hataonao fahirano io. Famantarana ho amin’ ny taranak’ Isiraely izany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 4
Cross References
Leviticus 2:5Ary raha fanatitra hohanina voaendy amin’ ny lapoely no fanatitrao, dia aoka ho koba tsara toto voaharo diloilo sady tsy misy masirasira.
Isaiah 20:3Ary hoy Jehovah: Tahaka ny nandehanan’ Isaia mpanompoko telo taona sady tsy nitafy no tsy nikiraro mba ho famantarana sy ho fahagagana ny amin’ i Egypta sy Etiopia,
Jeremiah 39:1Ary rehefa afaka Jerosalema (tamin’ ny volana fahafolo tamin’ ny taona fahasivy nanjakan’ i Zedekia, mpanjakan’ ny Joda, no nahatongavan’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, sy ny miaramilany rehetra hamely an’ i Jerosalema ka nanao fahirano azy;
Ezekiel 12:11Lazao hoe: Izaho dia famantarana mahagaga ho anareo, koa tahaka izay ataoko no hatao amin’ ireo; hifindra sy ho lasan-ko babo izy.
Ezekiel 24:27amin’ izany andro izany dia hisokatra miaraka amin’ ny an’ ilay mandositra ny vavanao, ka dia hiteny ianao, fa tsy ho moana intsony; ry ho famantarana mahagaga aminy ianao; ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah.
Hebrews 2:4sady Andriamanitra koa no niara-nanambara taminy tamin’ ny famantarana sy ny fahagagana ary tamin’ ny asa lehibe samy hafa sy ny fanomezana ny Fanahy Masìna nozarazarainy araka ny sitrapony.