Bokin'i Ezekiela 12:13
Ary ny fandrika haratoko dia hovelariko aminy, ka ho voan’ ny fandrika izy; dia ho entiko any Babylona any amin’ ny tanin’ ny Kaldeana izy, ary tsy hahita izany, nefa ho faty any ihany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 12
Cross References
Job 18:10Miafina ao amin’ ny tany ny fandrika haningotra azy sy ny tonta eny an-dalana.
Psalms 11:6Handatsaka fandrika amin’ ny ratsy fanahy Izy tahaka ny fandatsaka ranonorana; afo sy solifara ary rivo-mahamay no ho anjara kapoakany.
Jeremiah 34:3ary ianao tsy ho afa-mandositra ny tànany, fa ho voasambotra tokoa ka hatolotra eo an-tànany; ary ny masonao hahita ny mason’ ny mpanjakan’ i Babylona, dia hiteny mifanatrika aminao izy, sady ho tonga any Babylona ianao.
Jeremiah 50:24Nofandrihako ianao, ry Babylona, ka voa, nefa tsy fantatrao akory; Hita ka voasambotra koa ianao, Satria nila ady tamin’ i Jehovah.
Jeremiah 52:11Ary nopotsiriny ny mason’ i Zedekia, dia nafatotry ny mpanjakan’ i Babylona tamin’ ny gadra varahina izy ka nentiny nankany Babylona ary nataony tao an-trano-maizina mandra-pahafatiny.
Lamentations 3:47Mahavoa anay ny tahotra sy ny lavaka ary ny fandringanana sy ny fahatorotoroana.