Bokin'i Ezekiela 12:28
Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Tsy hisy hajanona ela intsony ny teniko; fa ny teny izay lazaiko dia hotanterahiko, hoy Jehovah Tompo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 12
Cross References
Jeremiah 1:11Ary tonga tamiko indray ny tenin’ i Jehovah nanao hoe: Ry Jeremia, inona izao hitanao izao? Ary hoy izaho: Rantsan-kazo mahatsiaro no hitako.
Jeremiah 1:13Ary tonga tamiko fanindroany indray ny tenin’ i Jehovah nanao hoe: Inona izao hitanao izao; Ary hoy izaho: Vilany mangotraka no hitako, ary mitongilana mianatsimo ny vavany.
Jeremiah 44:28Ary izay afa-mandositra ny sabatra dia ho tafaverina avy atỳ amin’ ny tany Egypta ho any amin’ ny tanin’ ny Joda, ho vitsy foana anefa ireny; ary ny sisa amin’ ny Joda rehetra izay mankany amin’ ny tany Egypta hivahiny any dia hahafantatra izay ho tò teny, na ho Izaho, na ho izy.
Ezekiel 12:23Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Hatsahatro izany fitenenana izany ka tsy hatao fiteny ao amin’ ny Isiraely intsony; fa lazao aminy kosa hoe: Akaiky ny andro sy ny tenin’ ny fahitana rehetra.
Mark 13:32Fa ny amin’ izany andro na ora izany dia tsy misy mahalala, na dia ny anjely any an-danitra, ary na dia ny Zanaka aza, afa-tsy ny Ray ihany.
1 Thessalonians 5:2satria ianareo mahalala marimarina fa ho avy toy ny mpangalatra amin’ ny alina ny andron’ ny Tompo.