Bokin'i Ezekiela 14:10
Ary hitondra ny heloky ny tenany izy; ny heloky ny mpaminany dia hitovy amin’ ny helok’ izay manontany aminy koa,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 14
Cross References
Genesis 4:13Dia hoy Kaina tamin’ i Jehovah: Lehibe ny valin’ ny heloko mihoatra noho izay zakako.
Deuteronomy 13:1Izay rehetra andidiako anareo dia tandremo mba harahina; aza ampianao izany, ary aza anesoranao.
Jeremiah 6:14Fa nataotaony foana ny fanasitranany ny faharatran’ ny oloko zanakavavy tamin’ ny nanaovany hoe: Fiadanana, fiadanana; Kanjo tsy misy fiadanana tsinona!
Jeremiah 14:15Koa izao no lazain’ i Jehovah ny amin’ ireo mpaminany izay maminany amin’ ny Anarako ireo nefa tsy nirahiko tsinona ka milaza fa tsy hisy sabatra sy mosary eto amin’ ity tany ity: Ny sabatra sy ny mosary indrindra no handringanana ireo mpaminany ireo.
Ezekiel 14:7Fa na iza na iza amin’ ny taranak’ Isiraely, na amin’ ny vahiny izay mivahiny eo amin’ ny Isiraely, no misaraka amiko ka mampiorina ny sampiny ao am-pony ary mametraka ny fahatafintohinana mahameloka azy eo anoloany sady manatona ny mpaminany hanontany amiko, dia Izaho Jehovah ihany no hamaly azy araka izay toetro;
Ezekiel 23:49Ary hatsingeriny aminareo ny fahavetavetanareo, ary ho entinareo ny heloka noho ny sampinareo; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Tompo.