Bokin'i Ezekiela 14:20
na dia ao aza Noa sy Daniela ary Joba, raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, dia tsy hahavonjy ny zananilahy na ny zananivavy ireo, fa ny tenany ihany no ho voavonjiny noho ny fahamarinany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 14
Cross References
Psalms 33:18Indro, ny mason’ i Jehovah mitsinjo izay matahotra Azy, dia izay manantena ny famindram-pony,
Ezekiel 14:14na dia ao aza ireto telo lahy ireto, dia Noa sy Daniela ary Joba, dia ny tenany ihany no ho voavonjiny noho ny fahamarinany, hoy Jehovah Tompo.
Ezekiel 18:20Ny fanahy izay manota no ho faty. Ny zanaka tsy mba hitondra ny heloky ny rainy, ary ny ray tsy mba hitondra ny heloky ny zanany; ny fahamarinan’ ny marina ho aminy ihany ary ny faharatsian’ ny ratsy fanahy kosa ho aminy ihany.
Hosea 10:12Mamafaza ho anareo araka ny fahamarinana, mijinjà araka ny fitiavana, hevoy ny tombam-borakareo; Fa izao no andro hitadiavana an’ i Jehovah ambara-pihaviny sy handatsahany fahamarinana aminareo.
Acts 10:35fa amin’ ny firenena rehetra izay olona matahotra Azy ka manao ny marina no ankasitrahany.
1 John 3:7Anaka, aza avela hisy hamitaka anareo: izay manao ny marina no marina; eny, marina tahaka Azy.