Asan'ny Apostoly 10:35
fa amin’ ny firenena rehetra izay olona matahotra Azy ka manao ny marina no ankasitrahany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
But in every nation he that feareth him, and worketh righteousness, is accepted with him.
In Context
Read all of Asan'ny Apostoly 10
Cross References
Job 28:28Dia hoy Izy tamin’ ny olona: Indro, ny fahatahorana ny Tompo no fahendrena. Ary ny fialàna amin’ ny ratsy no fahalalana.
Psalms 85:9Hihaino izay holazain’ i Jehovah Andriamanitra aho; Fa hilaza fiadanana amin’ ny olony Izy, dia amin’ ny olony masìna; Koa aoka tsy hiverina ho ao amin’ ny fahadalana ireo.
Proverbs 1:7Ny fahatahorana an’ i Jehovah no fiandoham-pahalalana; Fa ny adala manamavo ny fahendrena sy ny famaizana. Fananarana tsy hikambana amin’ ny mpanao ratsy.
Proverbs 3:7Aza manao anao ho hendry; Matahora an’ i Jehovah, ka mifadia ny ratsy.
Ecclesiastes 12:13Ary rehefa re izany rehetra izany, dia izao no faran’ ny teny: Andriamanitra no atahory, ary ny didiny no tandremo, fa izany no tokony hataon’ ny olona rehetra.
Hosea 8:13Mamono zavatra hatao fanatitra ho Ahy izy, eny, mihinana ny henan’ izany, nefa tsy sitrak’ i Jehovah izany; Ankehitriny dia hotsarovany ny fahotany, ary hovaliany ny helony; Eny, izy ireny dia hiverina ho any Egypta.