Bokin'i Ezekiela 14:8
ary hanandrina izany olona izany ny tavako, ka hataoko mahita loza izy mba ho famantarana sy ho ohabolana, ary hofongorako tsy ho eo amin’ ny oloko izy; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 14
Cross References
Leviticus 17:10Ary na iza na iza amin’ ny taranak’ Isiraely, na amin’ ny vahiny eo aminareo, no mihinan-drà, ny Tavako dia hanandrina ny olona izay mihinan-drà, ka hofongorana tsy ho amin’ ny fireneny izy.
Leviticus 22:3Lazao aminy hoe: Izay rehetra maloto amin’ ny zanakareo, hatramin’ ny taranakareo fara mandimby, nefa manakaiky ny zava-masìna izay hamasinin’ ny Zanak’ Isiraely ho an’ i Jehovah, dia hofongorana tsy ho eo anatrehako: Izaho no Jehovah.
Numbers 19:20Fa ny olona izay naloto ka tsy nanadio ny tenany dia hofongorana tsy ho amin’ ny fiangonana, satria nandoto ny fitoera-masin’ i Jehovah izy; ny rano fanadiovana tsy nafafy taminy: maloto izy.
Deuteronomy 28:37Dia ho figagana sy ohabolana ary ho ambentinteny ianao any amin’ ny firenena rehetra izay hitondran’ i Jehovah anao.
Psalms 34:16Ny mason’ i Jehovah dia mitsinjo ny marina, ary ny sofiny mihaino ny fitarainany.
Psalms 37:22Fa izay tahìny no handova ny tany; Ary izay ozoniny kosa no hofongorana.