Bokin'i Ezekiela 15:8
Ary hataoko lao ny tany noho ny nivadihany tamiko, hoy Jehovah Tompo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And I will make the land desolate, because they have committed a trespass, saith the Lord GOD.
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 15
Cross References
Isaiah 6:11Ary hoy izaho: Tompo ô, mandra-pahoviana anefa? Dia hoy Izy: Mandra-pahafoanan’ ny tanàna, ka tsy hisy mponina, Ary ny trano tsy hisy olona, Ary ny tany ho lao tokoa;
Jeremiah 25:10Ary hatsahatro eo aminy ny feo mifaly sy ny feo miravoravo, dia ny feon’ ny mpampakatra sy ny feon’ ny ampakarina, ny feon’ ny vato fikosoham-bary ary ny fahazavan’ ny jiro.
Ezekiel 14:13Ry zanak’ olona, raha misy tany manota amiko ka manao izay mahadiso, ary ahinjitro aminy ny tanako, ka tapahiko ny mofo, tohan’ ainy, sady andefasako mosary, ary aringako avokoa ny olona sy ny biby,
Ezekiel 33:29Dia ho fantany fa Izaho no Jehovah, raha hataoko rava sy lao ny tany noho ny fahavetavetana nataony.
Zephaniah 1:18Na ny volafotsiny na ny volamenany dia samy tsy hahavonjy azy amin’ ny andro fahatezeran’ i Jehovah, Fa holevonin’ ny afon’ ny fahasaro-piarony ny tany rehetra; Fa fahafonganana, eny, fahafonganana tampoka tokoa no hataony amin’ ny mponina amin’ ny tany.