Bokin'i Jeremia 25:10
Ary hatsahatro eo aminy ny feo mifaly sy ny feo miravoravo, dia ny feon’ ny mpampakatra sy ny feon’ ny ampakarina, ny feon’ ny vato fikosoham-bary ary ny fahazavan’ ny jiro.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 25
Cross References
Esther 3:13Ary ny taratasy dia nampitondrainy ny tsimandoa ho any amin’ ny isan-tokony amin’ ny fanjakan’ ny mpanjaka mba hampandringana sy hampamono ary hampandripaka ny Jiosy rehetra, na tanora na antitra hatramin’ ny zaza amim-behivavy aza, amin’ ny indray andro monja, dia tamin’ ny andro fahatelo ambin’ ny folo tamin’ ny volana faharoa ambin’ ny folo (volana Adara izany), ary handroba ny fananany.
Esther 8:11ka ny Jiosy izay teny amin’ ny isan-tanàna dia navelan’ ny mpanjaka hivory hiaro ny ainy ary handringana sy hamono ka handripaka ny herin’ ny firenena sy ny tany rehetra izay te-hiady aminy, mbamin’ ny vady aman-janak’ ireny ary handroba ny fananany
Isaiah 24:7Misaona ny ranom-boaloboka, milofika ny taro-boaloboka, misento avokoa ilay nifaly am-po;
Jeremiah 16:9Fa izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, hatsahatro amin’ ity tany ity eo imasonareo sy amin’ ny andronareo ny feo mifaly sy ny feo miravoravo, dia ny feon’ ny mpampakatra sy ny feon’ ny ampakarina.
Ezekiel 26:13Ary hatsahatro ny feon’ ny hiranao, sady tsy ho re intsony ny fanenon’ ny lokanganao.
Revelation 18:22Ary ny feon’ ny mpitendry lokanga sy ny mpitsoka mozika sy ny mpitsoka sodina ary ny mpitsoka trompetra dia tsy ho re eo aminao intsony; ary ny mpiasa rehetra mahay zavatra na inona na inona tsy ho hita eo aminao intsony; ary ny feon’ ny vato fikosoham-bary tsy ho re eo aminao intsony;