Bokin'i Ezekiela 16:44
Indro, ny mpanao ohabolana rehetra dia hamely anao amin’ izao ohabolana izao hoe: Manahaka an-dreniny ihany ny zananivavy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 16
Cross References
1 Kings 21:16Ary rehefa ren’ i Ahaba fa efa maty Nabota, dia niainga izy ka nidina nankany amin’ ny tanim-boalobok’ i Nabota Jezirelita mba haka ny tany ho azy.
2 Kings 17:15Ary nolaviny ny didiny sy ny fanekeny izay nataony tamin’ ny razany mbamin’ ny teni-vavolombelony izay nananarany azy; ary nandeha nanaraka ny zava-poana izy, ka dia tonga zava-poana koa ary nanaraka ny jentilisa manodidina azy, izay efa nandraran’ i Jehovah azy mba tsy halainy tahaka.
Ezra 9:1Ary rehefa vita izany rehetra izany, dia nanatona ahy ny mpanapaka ka nanao hoe: Ny Isiraely sy ny mpisorona ary ny Levita dia tsy mbola miavaka amin’ ny olona tompon-tany, fa manao araka ny fahavetavetan’ ny Kananita sy ny Hetita sy ny Perizita sy ny Jebosita sy ny Amonita sy ny Moabita sy ny Egyptiana ary ny Amorita ihany izy.
Ezekiel 12:22Ry zanak’ olona, ahoana moa, izao fitenenana ataonareo ao amin’ ny tanin’ ny Isiraely izao hoe: Mihaela ny andro, ary tonga tsinontsinona ny fahitana rehetra?
Ezekiel 16:45Hianao dia zanakavavin-dreninao, izay mahafoy ny vadiny aman-janany; ary ianao dia rahavavin’ ireo rahavavinao, izay nahafoy ny vadiny aman-janany; Hetita no reninareo, ary Amorita no rainareo.