Bokin'i Ezekiela 16:57
fony tsy mbola niseho ny faharatsianao, toy ny tamin’ ny andro nandatsan’ ny zanakavavin’ i Syria sy izay rehetra manodidina azy ary ny zanakavavin’ ny Filistina, izay namingavinga anao manodidina.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
58Ny faharatsianao sy ny fahavetavetanao no ho entinao, hoy Jehovah.
Read all of Bokin'i Ezekiela 16
Cross References
Genesis 10:22Ny zanakalahin’ i Sema dia Elama sy Asyra sy Arpaksada sy Loda ary Arama.
2 Kings 16:5Ary tamin’ izany dia niakatra hanafika an’ i Jerosalema Rezina, mpanjakan’ i Syria, sy Peka, zanak’ i Remalia, mpanjakan’ ny Isiraely; ary nanao fahirano an’ i Ahaza izy, nefa tsy naharesy azy.
2 Chronicles 28:18Ary ny Filistina koa nanafika ny tanàna eny amin’ ny tany lemaka amoron-tsiraka sy eny amin’ ny tany atsimo momba an’ i Joda, dia nahafaka an’ i Beti-semesy sy Aialona sy Gederota sy Soko mbamin’ ny zana-bohiny ary Timna sy ny zana-bohiny ary Gimzo koa sy ny zana-bohiny; ary nonina tao izy.
Isaiah 7:1Ary tamin’ ny andron’ i Ahaza, zanak’ i Jotama, zanak’ i Ozia, mpanjakan’ ny Joda, no niakaran-dRezina, mpanjakan’ i Syria, sy Pelza, zanak’ i Remalia, mpanjakan’ ny Isiraely, hanafika an’ i Jerosalema, nefa tsy nahafaka azy izy.
Jeremiah 33:24Tsy hitanao va izay nolazain’ ity firenena ity hoe: Ny fianakaviana roa izay nofidin’ i Jehovah dia efa nariany; Toy izany no anamavoany ny oloko, ka dia tsy vanon-ko firenena eo imasony intsony izy.
Ezekiel 16:27Ary, indro, nahinjitro taminao ny tanako, ka nahenako ny anjara-haninao, ary natolotro ho amin’ ny sitrapon’ izay mankahala anao ianao, dia ny zanakavavin’ ny Filistina, izay menatra noho ny fahavetavetana fanaonao.