Bokin'i Ezekiela 18:12
na mampahory ny malahelo sy ny mahantra, na mandroba, na tsy mamerina ny natao tsatòka, na manandratra ny masony ho amin’ ny sampy ka manao izay fahavetavetana,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 18
Cross References
Leviticus 18:22Aza mandry amin’ ny lehilahy tahaka ny fandry amin’ ny vehivavy; fa fahavetavetana izany.
2 Kings 21:11Satria Manase, mpanjakan’ ny Joda, nanao izao fahavetavetana izao ka nanao ratsy mihoatra noho izay rehetra nataon’ ny Amorita izay teo alohany sady nampanota ny Joda tamin’ ny sampiny,
Isaiah 59:6Ny tranon-kalany tsy azo atao fitafiana, ary ny asany tsy mahatafy azy; ny asany dia asa fampahoriana, ary asan-doza no eo an-tànany.
Ezekiel 8:6Dia hoy koa Izy tamiko: Ry zanak’ olona, hitanao va izay ataon’ ireo, dia ny fahavetavetana lehibe izay ataon’ ny taranak’ Isiraely eto ka mampanalavitra Ahy amin’ ny fitoerako masìna? Mbola hahita fahavetavetana lehibe koa ianao.
Ezekiel 18:6fa tsy mihinana eny an-tendrombohitra, na manandratra ny masony ho amin’ ny sampin’ ny taranak’ Isiraely, na mandoto ny vadin’ ny namany, na manakaiky ny vehivavy izay mararin’ ny fadim-bolana,
Ezekiel 33:25Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Homan-javatra misy rà sady miandrandra ny sampinareo ianareo ary mandatsa-drà, moa hahazo handova ny tany va ianareo?