Bokin'i Ezekiela 2:8
Fa ianao kosa, ry zanak’ olona, mihainoa izay lazaiko aminao; aza maditra tahaka izany taranaka maditra izany ianao; akafy ny vavanao, ka hano izay afahako anao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
7Ary holazainao aminy ihany ny amiko, na hihaino izy na tsy hihaino, fa tena naditra izy.
9Ary hitako fa, indro, nisy tanana nahinjitra tamiko, ary, indro, nisy horonan-taratasy ny aminy.
Read all of Bokin'i Ezekiela 2
Cross References
Numbers 20:10Dia novorin’ i Mosesy sy Arona teo anoloan’ ny vatolampy ny fiangonana; ka dia hoy izy: Mihainoa, ry mpiodina: Moa amin’ ity vatolampy ity va no hampivoahanay rano ho anareo?
1 Kings 13:21ary izy niteny mafy tamin’ ilay lehilahin’ Andriamanitra avy tany Joda hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Satria nandà ny tenin’ i Jehovah ianao ka tsy nitandrina ny didy izay nandidian’ i Jehovah Andriamanitrao anao,
Isaiah 8:11Fa izao no nolazain’ i Jehovah tamiko, raha nanindry ahy mafy ny tànany, Ka nanariny tsy handeha amin’ ny falehan’ ity firenena ity aho:
Jeremiah 15:16Hitako ny teninao ka nohaniko, ary ny teninao no fifaliako sy firavoravoan’ ny foko; Fa nantsoina tamin’ ny anaranao aho, Jehovah, Andriamanitry ny maro ô.
Ezekiel 3:10Ary hoy Izy tamiko: Ry zanak’ olona, ny teny rehetra izay holazaiko aminao dia aoka ho mamin’ ny fonao, ka henoy amin’ ny sofinao.
Jonah 1:3Nefa Jona nitsangana handositra ho any Tarsisy mba hiala eo anatrehan’ i Jehovah; ary nidina tany Jopa izy ka nahita sambo hankany Tarsisy, dia nandoa ny karamany ka niondrana taminy hiara-mandeha tamin’ ny tao ho any Tarsisy hiala eo anatrehan’ i Jehovah.