Bokin'i Ezekiela 20:36
Tahaka ny nifandaharako tamin’ ny razanareo tany an-efitry ny tany Egypta, dia toy izany koa no hifandaharako aminareo, hoy Jehovah Tompo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
35Dia ho entiko ho any an-efitry ny firenena ianareo, ary any no hifandaharako mifanatrika aminareo.
37Ary hampandaloviko eo ambanin’ ny tehina ianareo ka hampidiriko hofehezin’ ny fanekena.
Read all of Bokin'i Ezekiela 20
Cross References
Exodus 32:7Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Mandehana midìna ianao; fa efa nanao ratsy ny olonao izay nentinao niakatra avy tany amin’ ny tany Egypta.
Numbers 14:1Dia nanandratra ny feony ny fiangonana rehetra ka nitaraina; ary nitomany ny olona tamin’ iny alina iny.
Numbers 14:35Izaho Jehovah efa nilaza fa hataoko tokoa izany amin’ izao fiangonana ratsy rehetra izao, izay miangona hiodina amiko; etỳ amin’ ity efitra ity no hahalany ritra azy, ary etỳ no hahafatesany.
Numbers 25:1Ary nitoetra tao Sitima ny Isiraely, dia niantomboka nijangajanga tamin’ ny zanakavavin’ ny Moabita izy.
Ezekiel 20:13Kanjo niodina tamiko tany an-efitra ihany ny taranak’ Isiraely, ka tsy nandeha araka ny didiko izy, fa nanamavo ny fitsipiko, izay mahavelona ny olona manaraka izany, ary nandoto dia nandoto ny Sabatako izy, dia hoy Izaho: Haidiko aminy any an-efitra ny fahatezerako hahalany ringana azy.
Ezekiel 34:17Ary ny aminareo, ry ondriko, izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Indro, hotsaraiko ny adin’ ny ondry aman’ osy, dia ny ady ataon’ ny ondrilahy sy ny osilahy namany aminy.