Bokin'ny Nomery 25:1
Ary nitoetra tao Sitima ny Isiraely, dia niantomboka nijangajanga tamin’ ny zanakavavin’ ny Moabita izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And Israel abode in Shittim, and the people began to commit whoredom with the daughters of Moab.
In Context
Read all of Bokin'ny Nomery 25
Cross References
Exodus 34:15fandrao ianao hanao fanekena amin’ ny mponina eo amin’ ny tany, ka hijangajanga hanaraka ny andriamaniny sy hamono zavatra hatao fanatitra ho an’ ny andriamaniny izy, ary hasainy ianao ka hihinana amin’ ny fanatiny;
Numbers 31:15ka hoy izy taminy: Nahoana no novelominareo ny vehivavy rehetra?
Numbers 33:49Ary nitoby teo amoron’ i Jordana izy hatrany Betijesimota ka hatrany Abela-sitima, tao Arbota-moaba.
Joshua 3:1Dia nifoha maraina koa Josoa; ary ny olona dia niala tany Sitima ka nankany Jordana, dia Josoa sy ny Zanak’ Isiraely rehetra, ary nitoetra teo izy aloha vao nita.
Psalms 106:28Nikambana tamin’ i Bala-peora ireo ka nihinana ny fanatitra ho an’ ny maty,
Hosea 9:10Tahaka ny fahitana voaloboka any an-efitra no nahitako ny Isiraely, toy ny fahitana aviavy mialin-taona no nahitako ny razanareo; Nefa ireny dia tonga tany Bala-peora ka nanolo-tena ho amin’ ilay mampahamenatra, ka dia tonga fahavetavetana tahaka an’ ilay tiany ihany izy.