Bokin'i Ezekiela 22:11
Misy manao fahavetavetana amin’ ny vadin’ ny namany; misy manao fahavetavetana mandoto ny vinantovaviny; ary misy misavika ny anabaviny zanakavavin-drainy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
10Ao aminao misy mandry amin-drainy; ao aminao misy misavika izay mararin’ ny fadim-bolana.
Read all of Bokin'i Ezekiela 22
Cross References
Leviticus 18:6Aza misy mila izay havany akaiky handry aminy ianareo: Izaho no Jehovah.
Leviticus 18:15Aza mandry amin’ ny vinantovavinao; fa vadin’ ny zanakao-lahy izy, koa aza mandry aminy.
Leviticus 20:10Ary ny lehilahy mijangajanga amin’ ny vadin’ olona, dia izay mijangajanga amin’ ny vadin’ ny namany, hatao maty tokoa, na ny mila, na ny ilainy.
Leviticus 20:17Ary raha misy lehilahy manambady ny anabaviny, na zanakavavin’ ny rainy, na zanakavavin’ ny reniny, ka mahita ny fitanjahany, ary ravehivavy mahita ny fitanjahany kosa, dia zava-dratsy izany, ka hofongorana eo imason’ ny fireneny izy roroa; fa nandry tamin’ ny anabaviny ralehilahy ka meloka.
Deuteronomy 27:22Hozonina izay mandry amin’ ny anabaviny, dia ny zanakavavin-drainy, na ny zanakavavin-dreniny. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.
2 Samuel 13:14Nefa tsy nety nihaino ny feon-drazazavavy izy, fa natanjaka noho izy, dia nisavika azy ka nandry taminy.