Bokin'i Ezekiela 22:25
Mikomy ny mpaminany ao aminy; tahaka ny liona mierona mamiravira haza izy; mihinana olona izy sady mahalasa ny harena sy ny zava-tsoa ary mahamaro ny mpitondratena ao aminy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 22
Cross References
1 Kings 22:23Koa, indro, Jehovah efa nanisy fanahy mandainga ao am-bavan’ ireto mpaminaninao rehetra ireto ary Izy koa efa nilaza ny loza hanjo anao.
Jeremiah 2:30Foana ny namelezako ny zanakareo, fa tsy zaka nanarina izy; Ny sabatrareo nandringana ny mpaminaninareo, toy ny liona mamiravira.
Jeremiah 5:30Zava-mahagaga sy mahatsiravina no atao eo amin’ ny tany;
Jeremiah 11:9Ary hoy koa Jehovah tamiko: Misy tetika fikomiana hita ao amin’ ny Joda sy amin’ ny mponina any Jerosalema.
Jeremiah 23:14Ary tamin’ ny mpaminanin’ i Jerosalema koa no nahitako zavatra mahatsiravina; Mijangajanga sy mandeha araka ny lainga izy sady mampahery ny tanan’ ny mpanao ratsy, ka samy tsy miala amin’ ny faharatsiany; Eny, izy rehetra dia tonga tahaka an’ i Sodoma raha amiko, ary ny mponina ao dia tonga tahaka an’ i Gomora.
Lamentations 4:13Noho ny fahotan’ ny mpaminany sy ny heloky ny mpisorony, izay nandatsaka ny ran’ ny marina tao aminy, no nahatongavan’ izao.