Bokin'i Ezekiela 22:26
Ny mpisorona dia mandika ny lalàko sy mandoto ny zavatra masìna; tsy manavaka ny masìna sy ny tsy masìna izy, na mampiseho ny tsi-fitovian’ ny maloto sy ny madio, ary mitampi-maso tsy hijery ny Sabatako izy, ary tsiratsiraina ao aminy Aho.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 22
Cross References
Leviticus 10:1Ary Nadaba sy Abiho, zanak’ i Arona, samy naka ny fitondran’ afony avy ka nanisy afo teo anatiny, ary nanisy ditin-kazo manitra teo, dia nanatitra afo tsy izy teo anatrehan’ i Jehovah, izay tsy nandidiany azy.
Leviticus 11:47mba hanavahana ny maloto sy ny madio, ary ny biby izay ho fihinana sy ny biby izay tsy ho fihinana.
Leviticus 22:2Mitenena amin’ i Arona sy ny zanany mba hitandremany ny amin’ ny tsy hanakekeny ny zava-masìna izay hamasinin’ ny Zanak’ Isiraely ho Ahy tsy hanamavoany ny anarako masìna: Izaho no Jehovah.
1 Samuel 2:22Ary efa antitra indrindra Ely, ary izy nandre izay rehetra nataon’ ny zananilahy tamin’ ny Isiraely rehetra sy ny nandriany tamin’ ireo vehivavy izay nanompo teo amin’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana.
2 Chronicles 36:14Ary ny lehibe rehetra tamin’ ny mpisorona sy ny vahoaka koa nanao izay mahadiso indrindra araka ny fahavetavetana rehetra fanaon’ ny jentilisa ka nandoto ny tranon’ i Jehovah tany Jerosalema izay nohamasininy.
Jeremiah 2:26Toy ny fangaihain’ ny mpangalatra, raha azo, dia toy izany ny fangaihain’ ny taranak’ Isiraely, eny, izy sy ny mpanjakany sy ny lehibeny sy ny mpisorony ary ny mpaminaniny,