Bokin'ny Levitikosy 22:2
Mitenena amin’ i Arona sy ny zanany mba hitandremany ny amin’ ny tsy hanakekeny ny zava-masìna izay hamasinin’ ny Zanak’ Isiraely ho Ahy tsy hanamavoany ny anarako masìna: Izaho no Jehovah.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
1Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy, ka nanao hoe:
Read all of Bokin'ny Levitikosy 22
Cross References
Exodus 13:12dia hatokanao ho an’ i Jehovah izay voalohan-teraka rehetra: ny voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra izay anananao, dia ho an’ i Jehovah ny lahy rehetra;
Leviticus 15:31Dia hampisarahinareo amin’ ny fahalotoany ny Zanak’ Isiraely, tsy handotoany ny tabernakeliko izay eo aminy, ka tsy hahafaty azy ny fahalotoany.
Leviticus 19:12Aza mianian-tsy tò amin’ ny anarako, na manamavo ny anaran’ Andriamanitrao: Izaho no Jehovah.
Leviticus 21:6Ho masìna ho an’ Andriamaniny izy ka tsy hanamavo ny anaran’ Andriamaniny; fa mpanatitra ny fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah izy, dia ny hanin’ Andriamaniny, ka dia tokony ho masìna.
Leviticus 22:32Ary aza manamavo ny anarako masìna; fa hohamasinina eo amin’ ny Zanak’ Isiraely Aho: Izaho Jehovah,
Numbers 18:32Ary tsy hahazoanareo heloka ireny, raha maka ny tsara indrindra avy aminy ianareo; ary tsy holotoinareo ny zava-masìna aterin’ ny Zanak’ Isiraely, dia tsy ho faty ianareo.