Bokin'i Ezekiela 23:25
Ary ho entiko hamely anao ny fahasaro-piaroko, ka hamely anao amin’ ny fahatezerana ireny: hesoriny ny oronao sy ny sofinao, ary izay sisa aminao dia ho lavon’ ny sabatra, ka ho lasan-ko babony ny zanakalahinao sy ny zanakavavinao, ary izay sisa aminao holevonin’ ny afo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
26Ary hendahany ny lambanao, sady hesoriny aminao ny firavakao soa.
Read all of Bokin'i Ezekiela 23
Cross References
Deuteronomy 29:20Dia hosarahin’ i Jehovah amin’ ny firenen’ Isiraely rehetra ho amin’ ny loza izy, araka ny fanozonana rehetra amin’ ny fanekena izay voasoratra amin’ ity bokin’ ny lalàna ity.
Proverbs 6:34Fa ny fahasaro-piaro dia mampirehitra ny fahatezeran-dehilahy, Koa tsy hamindra fo izy amin’ ny andro hamaliany.
Ezekiel 5:13Ary ho tanteraka amin’ izany ny fahatezerako, sady hampariko aminy ny fahatezerako, ka hialako fo izy; dia ho fantany fa Izaho Jehovah no niteny izany tamin’ ny fahasaro-piaroko, rehefa notanterahiko taminy ny fahatezerako.
Ezekiel 15:6Koa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Toy ny tahom-boaloboka amin’ ny hazo any an’ ala, izay natolotro hataina, dia toy izany no hanolorako ny mponina any Jerosalema.
Ezekiel 16:40Dia hitondra vahoaka maro be hiakatra hamely anao koa izy ka hotorahany vato sady hotetitetehiny amin’ ny sabany ianao.
Ezekiel 22:18Ry zanak’ olona, ny taranak’ Isiraely dia efa tonga tain-drendrika amiko; izy rehetra dia varahina sy vifotsy sy vy ary firaka ao anatin’ ny memy; eny, efa tonga taim-bolafotsy izy.