Bokin'i Ezekiela 22:18
Ry zanak’ olona, ny taranak’ Isiraely dia efa tonga tain-drendrika amiko; izy rehetra dia varahina sy vifotsy sy vy ary firaka ao anatin’ ny memy; eny, efa tonga taim-bolafotsy izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
17Ary tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah anao hoe:
Read all of Bokin'i Ezekiela 22
Cross References
Proverbs 17:3Ny memy ho an’ ny volafotsy, ary ny fatana fandrendrehana ho an’ ny volamena; Fa Jehovah ihany no Mpamantatra ny fo.
Isaiah 1:25Dia hamerina ny tanako ho aminao Aho, Ka hodioviko amin’ ny lavenona ianao hahafahan’ ny tain-drendrikao, ary hesoriko ny firaka rehetra aminao.
Isaiah 48:4Satria fantatro fa maditra ianao, ka ozaby ny hatokao, ary varahina ny handrinao,
Jeremiah 6:28Tena maditra avokoa izy rehetra ka mandehandeha manaratsy, varahina sy vy izy; Samy mpanao ratsy avokoa izy rehetra.
Ezekiel 22:20Toy ny anangonana volafotsy sy varahina sy vy sy firaka ary vifotsy ho ao anatin’ ny memy ka misy mifofotra azy amin’ ny afo ho rendrika, dia toy izany no hanangonako anareo amin’ ny fahatezerako sy ny fahavinirako, ary hataoko ao ianareo ka ho voarendrika;