Bokin'i Ezekiela 23:35
Koa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Noho ny nanadinoanao Ahy sy ny nanarianao Ahy teo ivohonao, dia mba zakaonao kosa ny fahavetavetanao sy ny fijangajanganao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 23
Cross References
Leviticus 24:15Ary mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Na iza na iza no mamingavinga an’ Andriamaniny dia ho meloka,
Numbers 14:34Araka ny isan’ ny andro efa-polo izay nisafoanareo ny tany, ka ny andro iray hosoloana taona iray no hitondranareo ny helokareo efa-polo taona; ka dia ho fantatrareo ny fahafoizako anareo.
1 Kings 14:9fa nanao ratsy mihoatra noho izay rehetra teo alohanao ianao, fa lasa nanao andriamani-kafa sy sarin-javatra an-idina ka nampahatezitra Ahy, fa Izaho efa narianao teo ivohonao:
Proverbs 30:9Fandrao, raha voky aho, dia handà Ka hanao hoe: Iza moa Jehovah? Ary andrao, raha tonga malahelo aho, dia hangalatra Ka hanamavo ny anaran’ Andriamanitro.
Jeremiah 2:7Ary nitondra anareo niditra ho any amin’ ny tany mahavokatra Aho, mba hihinananareo ny vokatra sy ny zavatra tsara eo aminy; Kanjo nony tafiditra ianareo, dia nolotoinareo ny taniko, sady novetavetainareo ny lovako.
Jeremiah 3:21Injay! feo re any an-tendrombohitra mangadihady, dia fitomaniana amam-pitarainan’ ny Zanak’ Isiraely; Fa nivilivily tamin’ ny nalehany izy ary nanadino an’ i Jehovah Andriamaniny.