Bokin'i Ezekiela 23:36
Jehovah niteny tamiko hoe: Ry zanak’ olona, tsy hotsarainao va Ohola sy Oholiba? Dia asehoy azy ny fahavetavetany,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 23
Cross References
Jeremiah 1:10ary indro Aho manendry anao izao andro anio izao hanam-pahefana amin’ ny firenena sy ny fanjakana hanongotra sy hanjera sy handrava sy handrodana ary hanorina sy hamboly.
Jeremiah 14:11Dia hoy Jehovah tamiko: Aza mivavaka ho an’ ity firenena ity hahasoa azy.
Ezekiel 20:4Tsy hotsarainao va izy, ry zanak’ olona, tsy hotsarainao va izy? Ampahalalao ny fahavetavetan’ ny razany izy.
Hosea 2:2Dia hiara-mivory ny taranak’ i Joda sy ny taranak’ Isiraely ka hifidy anankiray ho lohany izy, dia hiakatra hiala amin’ ny tany, fa ho lehibe ny andron’ i Jezirda.
Matthew 23:13Fa lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa arindrinareo eo anoloan’ ny olona ny fanjakan’ ny lanitra; fa ianareo tsy miditra, ary izay miditra dia tsy avelanareo hiditra.
Acts 7:51Ry olona mafy hatoka sady tsy voafora fo sy sofina, ianareo manohitra ny Fanahy Masìna mandrakariva; tahaka ny nataon’ ny razanareo ihany no ataonareo koa.