Bokin'i Ezekiela 25:11
Ary hotanterahiko ny fitsarana an’ i Moaba; ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And I will execute judgments upon Moab; and they shall know that I am the LORD.
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 25
Cross References
Psalms 9:16Ny jentilisa efa latsaka tamin’ ny lavaka izay nohadiny, ny fandrika harato izay nafeniny efa nahazo ny tongony,
Jeremiah 9:25Dia Egypta sy Joda sy Edoma sy ny taranak’ i Amona ary Moaba mbamin’ izay rehetra voahety sisim-bolo, izay monina any an-efitra; Fa ny jentilisa rehetra dia tsy voafora, ary ny taranak’ Isiraely rehetra kosa dia tsy voafora fo.
Jeremiah 48:1Ny amin’ i Moaba. Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Nidiran-doza Nebo, fa rava! Mangaihay Kiriataima, fa afaka; Mangaihay Misgaba sady raiki-tahotra.
Ezekiel 5:10Koa ny ray dia hihinana ny zanany eo aminao, ary ny zanaka kosa hihinana ny rainy; ary hanao fitsarana eo aminao Aho, ary izay sisa rehetra aminao dia haeliko ho amin’ ny rivotra rehetra;
Ezekiel 11:9Ary havoakako avy ato aminy ianareo ka hatolotro ho eny an-tànan’ ny hafa firenena, ary hanao fitsarana aminareo Aho.
Ezekiel 25:5Ary Raba dia hataoko tany fitoeran’ ny rameva, ary ny taranak’ i Amona ho tany fandrian’ ny ondry aman’ osy; Ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.