Bokin'i Jeremia 9:25
Dia Egypta sy Joda sy Edoma sy ny taranak’ i Amona ary Moaba mbamin’ izay rehetra voahety sisim-bolo, izay monina any an-efitra; Fa ny jentilisa rehetra dia tsy voafora, ary ny taranak’ Isiraely rehetra kosa dia tsy voafora fo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
24Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, izay hamaliako ny voafora rehetra mbamin’ ny tsy voafora koa,
Cross References
Leviticus 19:27Aza manety ny sisim-bolon-dohanareo, ary aza manaratra ny vaokanao.
Jeremiah 4:4Miforà ho an’ i Jehovah ianareo, eny, forao ny fonareo, ry Joda sy ry mponina any Jerosalema! Fandrao hiseho toy ny afo ny fahatezerako noho ny faharatsian’ ny ataonareo ka hirehitra, sady tsy hisy hamono azy.
Jeremiah 49:32Ho babo ny ramevany, ary horobaina ny omby aman’ ondriny betsaka, haeliko ho any amin’ ny rivotra rehetra ireo voahety sisim-bolo; Ary ho entiko avy amin’ ny manodidina rehetra ny loza hanjo azy, hoy Jehovah,
Ezekiel 32:19Mihoatra noho ny an’ iza moa ny hatsaran-tarehinao? Midìna, ka miampara amin’ izay tsy voafora.
Amos 3:2Hianareo ihany no fantatro tamin’ ny firenena rehetra ambonin’ ny tany, koa noho izany dia hovaliako ianareo noho ny helokareo rehetra.
Romans 2:25Fa ny famorana mahasoa tokoa, raha mankatò ny lalàna ianao; fa raha mpandika ny lalàna kosa ianao, dia efa tonga toy ny tsy voafora, na dia efa voafora aza.