Bokin'i Ezekiela 26:15
Izao no lazain’ i Jehovah Tompo amin’ i Tyro: Tsy hihorohoro va ny moron-dranomasina noho ny fikotrokotroky ny firodananao, raha mitrona ny voatrabaka, ary misy vonoana eo ampovoanao?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 26
Cross References
Jeremiah 49:21Tamin’ ny fiezinezin’ ny fianjerany dia nihorohoro ny tany; Ny feon’ ny fitarainany dia re hatrany amin’ ny Ranomasina Mena.
Ezekiel 27:28Noho ny fidradradradran’ ny mpitondra sambonao dia mihorohoro ny tany manodidina.
Ezekiel 31:16Tamin’ ny fiezinezin’ ny fianjerany dia nampihorohoroiko ny firenena, raha nampidiniko ho any amin’ ny fiainan-tsi-hita izy, ho naman’ izay midìna any an-davaka; Ary ny hazo rehetra any Edena, dia ny nojobonina sady soa indrindra any Libanona, dia izay mifo-drano rehetra, samy nampionona ny tenany any ambanin’ ny tany,
Hebrews 12:26Izay nampihorohoro ny tany fahiny tamin’ ny feony; fa ankehitriny Izy efa nanao teny fikasana hoe: “Indray maka koa tsy ny tany ihany no hampihorohoroiko, fa ny lanitra koa”.