Bokin'i Ezekiela 31:16
Tamin’ ny fiezinezin’ ny fianjerany dia nampihorohoroiko ny firenena, raha nampidiniko ho any amin’ ny fiainan-tsi-hita izy, ho naman’ izay midìna any an-davaka; Ary ny hazo rehetra any Edena, dia ny nojobonina sady soa indrindra any Libanona, dia izay mifo-drano rehetra, samy nampionona ny tenany any ambanin’ ny tany,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 31
Cross References
Isaiah 14:15Kanjo hampidinina hatrany amin’ ny fiainan-tsi-hita ho any ampara-vodilavaka ianao.
Ezekiel 26:10Ho feno ny vovo-taniny ianao noho ny habetsahan’ ny soavaliny; hihorohoro ny mandanao noho ny fikorodondrodon’ ny mpitaingin-tsoavaly sy ny kodia sy ny kalesy, raha miditra eo amin’ ny vavahadinao tahaka ny olona miditra amin’ ny tanàna izay voabanga izy.
Ezekiel 27:28Noho ny fidradradradran’ ny mpitondra sambonao dia mihorohoro ny tany manodidina.
Ezekiel 31:14Mba tsy hisy hiavonavona intsony noho ny hahavony ny hazo rehetra eny amoron’ ny rano, na hanandratra ny lohany ho eo amin’ ny rahona matevina, sady tsy hisy hitoky amin’ ny hahavony intsony ny hazo mifo-drano rehetra; Fa voatolotra ho faty izy rehetra ho any ambanin’ ny tany, ho ao amin’ ny zanak’ olombelona, dia any amin’ izay midìna any an-davaka.
Ezekiel 32:18Ry zanak’ olona, isaony ny vahoaka maroben’ i Egypta, ary ampidino izy mbamin’ ny zanakavavin’ ny firenena malaza ho any ambanin’ ny tany, miaraka amin’ izay midìna any an-davaka.
Nahum 2:3Fa Jehovah efa mampody ny voninahitr’ i Jakoba, Toy ny ampodiany ny voninahitr’ Isiraely; Fa ny mpandroba efa nandroba azy Ary nanimba ny sampam-boalobony.