Bokin'i Ezekiela 26:20
Dia hampidiniko hiaraka amin’ izay mivarina any an-davaka ianao, Hankany amin’ ny razana, ka hamponeniko any ambanin’ ny tany ianao, dia any amin’ ny fonenana efa lao hatramin’ ny ela, hiaraka amin’ izay mivarina any an-davaka, mba tsy honenana intsony; ary hasiako voninahitra eo amin’ ny velona;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 26
Cross References
Numbers 16:30Fa raha hanao zavatra vaovao kosa Jehovah, ka hisokatra ny tany ary hitelina azy mbamin’ izay azy rehetra, ka ho latsaka velona any amin’ ny fiainan-tsi-hita’ izy, dia ho fantatrareo fa efa nandà an’ i Jehovah ireo lehilahy ireo.
Job 30:3Manjenjena noho ny tsi-fisian-kanina sy ny mosary izy; Homankomana foana any an-tany karankaina izy, dia eo an-katoky ny loza sy ny fandringanana.
Psalms 28:1Nataon’ i Davida. Hianao no antsoiko, Jehovah ô, Ry vatolampiko ô, aza manentsin-tadiny amiko; fandrao, raha mangìna amiko Hianao, dia ho tahaka izay midìna any an-davaka aho.
Isaiah 4:5Ary Jehovah hamorona rahona sy setroka raha antoandro Sy fahazavan’ ny afo midedadeda nony alina Ho eny ambonin’ ny fitoerana rehetra any an-tendrombohitra Ziona Sy ho eny ambonin’ ny fivoriany rehetra; Ary eny ambonin’ ny voninahitra rehetra dia hisy eloelo
Isaiah 59:10Mitsapatsapa manara-drindrina tahaka ny jamba isika eny, mitsapatsapa tahaka ny tsy mana-maso; tafintohina amin’ ny mitataovovonana tahaka ny amin’ ny maizimaizina isika, ary eo amin’ ny matanjaka dia tahaka ny maty isika.
Ezekiel 28:25Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Raha angoniko avy any amin’ ny firenena izay nampielezana azy ny taranak’ Isiraely, dia hiseho ho masìna eo imason’ ny firenena Aho amin’ ny ataoko aminy, ka honina any aminy taniny izay nomeko an’ i Jakoba mpanompoko izy.