Bokin'i Ezekiela 29:5
Ary hariako any an-efitra ianao, dia ianao sy ny hazandrano rehetra avy amin’ ny Neilinao; hitsitsitra eny an-tanety ianao ka tsy hovorina na hangonina; Efa nomeko hohanin’ ny bibi-dia sy ny voro-manidina ianao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 29
Cross References
Psalms 74:14Hianao nanorotoro ny lohan’ ny mamba ka nanome azy hohanin’ izay firenena any an-efitra.
Jeremiah 7:33Ary ny fatin’ ity firenena ity dia ho fihinan’ ny voro-manidina sy ny bibidia, ka tsy hisy hanaitaitra azy.
Jeremiah 16:4Ho fatin’ ny loza samy hafa izy, nefa tsy hisaonana na halevina, fa ho zezika eny ambonin’ ny tany; ary ho lanin-tsabatra sy mosary izy, ka ho fihinan’ ny voro-manidina sy ny bibi-dia ny fatiny.
Jeremiah 34:20dia hatolotro eo an-tànan’ ny fahavalony sy eo an-tànan’ izay mitady ny ainy, ary ho fihinan’ ny voro-manidina sy ny bibi-dia ny fatiny.
Ezekiel 31:18Tahaka an’ iza amin’ ny hazo any Edena moa ianao amin’ izao voninahitra sy fahalehibiazana izao? Hampidinina ho any ambanin’ ny tany miaraka amin’ ny hazo any Edena ianao; Eo amin’ ny tsy voafora no hiamparanao, dia eo amin’ izay voa-trabaky ny sabatra. Farao sy ny vahoakany maro be rehetra izany, hoy Jehovah Tompo.
Ezekiel 39:4Any an-tendrombohitry ny Isiraely no hiampatramparanao sy ny miaramilanao rehetra mbamin’ ny firenena izay miaraka aminao; homeko hohanin’ ny vorona mpihaza samy hafa karazana rehetra sy ny bibi-dia ianao.