Bokin'i Ezekiela 29:6
dia ho fantatry ny mponina rehetra any Egypta fa Izaho no Jehovah, satria efa tehina volotara ho an’ ny taranak’ Isiraely izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 29
Cross References
Exodus 14:18dia ho fantatry ny Egyptiana fa Izaho no Jehovah, rehefa ankalazaina Aho noho ny ataoko amin’ i Farao sy ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoavaliny.
2 Kings 18:24Hataonao ahoana no fampiamboho ny komandy iray amin’ ny mpanompon’ ny tompoko, na dia izay kely indrindra aminy aza? Nefa matoky an’ i Egypta ianao hahazoanao kalesy sy mpitaingin-tsoavaly.
Isaiah 30:2Dia izay mandeha hidina any Egypta, nefa tsy nanadina tamin’ ny vavako, handositra ho any amin’ ny fiarovana mafin’ i Farao sy hialokaloka ao amin’ ny alokalok’ i Egypta.
Isaiah 36:6Indro, ianao matoky io tehina volotara torotoro io, dia Egypta, nefa raha itehenan’ olona io, dia manindrona ny tànany miboroaka; eny, tahaka izany Farao, mpanjakan’ i Egypta, amin’ izay rehetra matoky azy.
Lamentations 4:17Mbola pahina ny masonay miandry foana ny hamonjy anay; Nitazana teo amin’ ny tilikambo izahay nanantena ny firenena izay tsy nahavonjy anay.
Ezekiel 28:22ka ataovy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Indro, efa hamely anao Aho, ry Sidona, ary hankalazaina ao ampovoanao Aho; Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah, raha manatanteraka ny fitsarana azy Aho ka miseho ho masìna amin’ ny ataoko aminy.