Bokin'i Ezekiela 3:26
Ary hampiraiketiko amin’ ny lanilaninao ny lelanao, ka ho moana ianao ary tsy ho mpananatra azy; fa taranaka maditra izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 3
Cross References
Psalms 51:15Dia hampianatra ny olon-diso ny lalanao aho; ary ny mpanota hampiverenina aminao.
Isaiah 1:2Mandrenesa, ry lanitra, ary mihainoa, ry tany, Fa Jehovah no miteny hoe: Efa nitaiza sy nahalehibe zaza Aho, Kanjo niodina tamiko ireo.
Lamentations 2:9Ny vavahadiny dia tototry ny tany, nosimbany sy notapatapahiny ny hidiny; Ny mpanjakany sy ny mpanapaka azy efa mby any amin’ ny firenena; Tsy misy lalàna intsony, fa na ny mpaminaniny aza dia tsy mahita fahitana avy amin’ i Jehovah.
Ezekiel 2:5Ary na hihaino izy na tsy hihaino (fa taranaka maditra izy), dia ho fantany fa efa nisy mpaminany teo aminy.
Ezekiel 12:3Koa ianao, ry zanak’ olona, mifeheza entana handeha hifindra ho any amin’ ny fahababoana, ka miaingà antoandro eo imasony; ary mialà eo imasony eo amin’ izay itoeranao ho any amin’ ny fitoerana hafa; angamba mba ho fantany fa taranaka maditra izy.
Hosea 4:17Tafaraikitra amin’ ny sampy Efraima; Aoka izy ho eo.