Bokin'i Ezekiela 31:10
Koa izany no nanaovan’ i Jehovah Tompo hoe: Satria nijoroaka avo izy ka nanandratra ny lohany teo amin’ ny rahona matevina, ary nirehareha ny fony noho ny hahavony,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 31
Cross References
2 Chronicles 25:19Lazainao fa namely an’ i Edoma ianao, ka dia nanesika anao hirehareha ny fonao; mitoera ihany ange ao an-tranonao, fa nahoana no hihaika ny loza hahalavo ny tenanao mbamin’ ny Joda koa ianao?
Job 11:11Fa Izy mahafantatra ny olon-dratsy; Ary hitany ny heloka, na dia tsy mandinika akory aza Izy.
Proverbs 18:12Ny fireharehan’ ny fon’ ny olona mialoha ny fahasimbana; Fa ny fanetren-tena kosa mialoha ny voninahitra.
Isaiah 14:13Ary ianao efa nanao anakampo hoe: Any an-danitra no hiakarako, ary ambonin’ ny kintan’ Andriamanitra no hanandratako ny seza fiandrianako; Dia hipetraka eo an-tendrombohitra; fivoriana any am-parany avaratra aho;
Ezekiel 31:14Mba tsy hisy hiavonavona intsony noho ny hahavony ny hazo rehetra eny amoron’ ny rano, na hanandratra ny lohany ho eo amin’ ny rahona matevina, sady tsy hisy hitoky amin’ ny hahavony intsony ny hazo mifo-drano rehetra; Fa voatolotra ho faty izy rehetra ho any ambanin’ ny tany, ho ao amin’ ny zanak’ olombelona, dia any amin’ izay midìna any an-davaka.
Daniel 5:20Fa nony niavonavona kosa ny fony, ary nikikitra tamin’ ny fireharehana ny fanahiny, dia naetry niala tamin’ ny seza fiandrianan’ ny fanjakany izy, ary ny voninahiny nesorina taminy;